plt_tn/2ki/03/09.md

931 B

ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma

Izany dia ilazana ireo mpanjaka sy ireo tafiny. DH: "ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma mbamin'ny tafik'izy ireo"

nandeha nihodidina

Izany dia manoritsoritra ny fomba nandehanan'izy ireo araka ny voalaza ao amin'ny 3:7.

nihodidina

Faribolana izay miendrika antsaka boribory.

Tsy nahitana rano

Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "tsy nisy rano hitan' ..."

Fa inona ity? Moa ve niantso mpanjaka telo hatolotra ho eo an-tanan'i Moaba i Yaveh?

Nampiasa fanontaniana fampisainana ny mpanjaka mba hanasongadinany ny faharatsian'ny toe-draharaha. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Toy ny hoe namela antsika telo ho voasambotr'i Moaba i Yaveh!"

hatolotra ho eo an-tanan'i Moaba

Eto ny hoe "Moaba" dia ilazana ireo tafiny. Ary koa, ny hoe "-tanan(a)" dia ilazana ny fifehezan'i Moaba. DH: "hatolotra eo ambany fahefan'i Moaba" na "mba horesen'ny tafik'i Moaba"