plt_tn/2jn/01/12.md

907 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny taratasin'i Jaona dia mifarana amin'ny faniriany hamangy azy ireo ary mitondra fiarahabana avy amin'ny fiangonana hafa.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe: "aminareo" ao amin'ny andininy faha 12 dia tokana. Ny teny hoe: "anao" ao amin'ny andininy faha 13 dia maro.

Tsy maniry hanoratra izany amin'ny taratasy sy ranomainty aho

Jaona dia tsy naniry ny hanoratra ireny zavatra hafa ireny fa kosa tiany ny hilaza ny teny aminy. Izy dia tsy niteny fa tokony hanoratra azy ireny amin'ny zavatra hafa ankoatra ny taratasy sy ranomainty.

Ireo zanaky ny rahavavinao voafidy.

Eto Jaona dia miresaka momba ity fiangonana hafa ity toy ny hoe rahavavin'ny fiangonan'ny mpamaky ary ireo mpino izay anisan'ny mpikambana ao amin'io fiangonana io tahaka ny hoe zanaky ny fiangonana izy ireo. Izany dia manamafy fa ny mpino rehetra dia mpihavana ara-panahy.