plt_tn/2co/11/01.md

974 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy manamafy ny amin'ny maha-apostoly azy i Paoly.

mamela ahy hanao fahadalana kely sasany

"mamela ahy hiasa toy ny adala"

saro-piaro ...fahasarotam-piaro

Ireo teny ireo dia miresaka momban'ny faniriana mafy sy tsara mba hahatokian'ireo Korintiana an'i Kristy, ary mba tsy hisian'ny olona handresy lahatra azy ireo hiala aminy.

hatramin'ny nanomezako toky anareo tao amin'ny fanambadiana ho an'ny vady iray ihany. Nanome toky aho ny hanolotra anareo tahaka ny virjiny madio ho an'i Kristy

MIresaka ny amin'ny fiahian'i Paoly an'i ireo Korintiana toy ny hoe nampanantena lehilahy hafa izy fa hanomana ny zanany vavy hanambady azy, ary ny tena zava-dehibe aminy dia ny fahafahany mitana ny fampanantenany amin'ny izany lehilahy izany. DH: "Toy ny ray izay nampanantena ny hanolotra ny zanany vavy ho ana lehilahy iray aho. Nampanantena ny hitazona anareo ho virjiny madio aho mba hahafahako manolotra anareo ho an'i Kristy.