plt_tn/2co/09/12.md

1.4 KiB

Ny fanatanterahana io asa fanompoana io

Eto ny teny hoe "asa fanompoana" dia maneho an'i Paoly sy ireo namany mitondra ny fanomezana ho an'ireo Mpino any Jeorsalema. DH: "ny fanantaterahanay izany asa fanompoana izany ho an'ireo mpino any Jerosalema"

Mitombo ihany koa izany amin'ny asa fanomezam- pisaorana an'Andriamanitra maro

Resahin'i Paoly toy ny hoe zavatra izay afaka mampitombo ny tenany ho zavatra maro ny asa fanompoan'ireo mpino Korintiana. DH: "Mampisy asa maro ihany koa izany, izay hisaoran'ny olona an'Andriamanitra"

Fa noho ny fitsapana anareo izay voaporofo amin'io asa io

Azo adika hoe DH: "Satria izany asa izany dia efa nitsapa ary nanaporofo anareo"

dia hanome voninahitra an'Andriamanitra koa ianareo amin'ny fankatoavana ... amin'ny fahalalahan-tananareo amin'ny fanomezana ho an'izy ireo sy ny olon-drehetra

I Paoly dia milaza fa sady hankalaza an'Andriamanitra amin'ny fahatokiana amin'i Jesosy no amin'ny fanomezana an-tsitrapo ho an'ireo mpino izay mila izany ireo Korintiana.

noho ny fanomezany tsy hay lazaina!

"ho an'ny fanomezany, izay tsy misy teny mahalaza izany." Ireo mety ho dikany dia 1) izany dia maneho ilay "fahasoavana lehibe tokoa" izay nomen'Andriamanitra ireo Korintiana izany fanomezana izany, izay nitondra azy ireo ho lasa malala-tanana na 2) izany fanomezana izany dia maneho an'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra ho an'ny mpino rehetra.