plt_tn/2co/09/01.md

973 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly dia manohy ny lohahevitry ny fanomezana. Tiany ho azo antoka fa ny fanangonana ny fanatitra ho an'ireo mpino mahantra any Jerosalema dia tokony haka toerana mialohan'ny hatongavany mba tsy ho hita toy ny hoe maka tombontsoa amin'izy ireo izy. Miresaka momba ny fanomezana fitahiana ny mpanome sy fanomezana voninahitra an'Andriamanitra izy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Rehef miresaka ny amin'ny hoe Akaia i Paoly, dia miresaka momba ny faritany Romana hita any atsimon'ny tany Grika izay misy an'i Korinto.

ny asa fanompoana ho an'ny mpino

Izany dia milaza ny fanangonana ny vola izay omena ireo mpino any Jerosalema. Ny hevitra fenon'izany dia azo azavaina. DH: "ny asa fanompoana ho an'ireo mpino any Jerosalema"

Akaia dia efa vonona

Eto ny teny hoe"Akaia" dia manambara ireo olona izay monina any amin'io faritany io, ary indrindra ireo olon'ny fiangonana any Korinto. DH: "Ny olon'i Akaia dia efa niomana"