plt_tn/2co/04/16.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia manoratra fa ny zava-tsarotra hiainan'ireo Korintianina dia kely ary tsy maharitra ela raha mitaha amin'ireo zavatra tsy hita maso mandrakizay.

Noho izany dia tsy ho kivy izahay

Azo atao hoe DH: "ka dia matoky izahay"

malemy ivelany aza izahay

Izany dia maneho ny vatan'olombelona amin'ny lo sy maty. DH: "ny vatanay dia miha-malemy sy ho faty"

havaozina isan'andro isan'andro ny ao anatinay

Izany dia milaza ny fiainana ara-panahy ao anatin'izy ireo, izay mihamafy. DH: "ny ara-panahinay dia mihamafy isan'andro isan'andro"

havaozina isan'andro isan'andro ny ao anatinay

Azo adika hoe DH: "Andriamanitra dia manavao ny ao anatinay isan'andro isan'andro"

Fa amin'izao andro mandalo izao, ny fahoriana maivana dia manomana anay ho amin'ny lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakizay

Resahin'i Paoly toy ny hoe zavatra azo lanjaina ny fijaliany sy ny voninahitra izay homen'Andriamanitra azy. Ny voninahitra dia mavesatra lavitra noho ny fijaliana.

izay mihoatra ny fandanjana rehetra

Ny voninahitra izay hiainan'i Paoly dia tena mavesa-danja ka tsy misy olona afaka ny handanja izany. DH: "izay tsy misy afaka mandanja"

zavatra izay hita... ireo zavatra izay tsy hita

Azo atao hoe DH: "Ireo zavatra izay hitantsika... ireo zavatra izay tsy hitantsika"

fa ireo zavatra izay tsy hita

Azo asiana matoanteny io andian-teny io. DH: "fa isika dia mijery ireo zavatra izay tsy hita"