plt_tn/2co/04/11.md

1.3 KiB

Izahay izay velona dia mitondra hatrany ao amin'ny vatanay ny fahafatesan'i Jesosy

Ny fitondrana ny fahafatesan'i Jesosy dia maneho hoe am-bava lozan'ny fahafatesana noho'ny tsy fivadihana amin'i Jesosy. DH: "Ho an'ireo izay velona eo aminay, Andriamanitra dia mitondra anay hiatrika fahafatesana mandrakariva satria miaraka amin'i Jesosy izahay." na "ireo olona no mahatonga anay izay velona ho ambava-lozan'ny fahafatesana mandrakariva satria miaraka amin'i Jesosy izahay"

amin'izay ny fiainan'i Jesosy dia hiseho eo amin'ny vatanay olombelona

Tian'Andriamanitra hiseho eo aminay ny fiainan'i Jesosy. Ireo mety ho dikany1) "ny tenanay dia ho velona indray, satria velona Jesosy" na 2) "mba hiseho eo amin'ny tenanay ny fiainana ara-panahy izay omen'i Jesosy." Jereo ny fomba nandikanao izany fehezanteny izany ao amin'ny 4:7.

amin'izay ny fiainan'i Jesosy dia hiseho eo amin'ny vatantsika olombelona

Azo adika hoe DH: "mba hahafahan'ny olona mahita ny fiainan'i Jesosy amin'ny tenanay." Jereo ny fomba nandikanao izany fehezanteny izany ao amin'ny 4:7.

ny fahafatesana dia miasa ao aminay, fa ny fiainana miasa ao aminareo

Resahin'i Paoly toy ny hoe olona afaka miasa ny fahafatesana sy fiainana.Midika izany fa izy ireo dia tandidonin-dozan'ny fahafatesana ara-nofo mandrakariva mba hahafahan'ireo korintiana manana ny fiainana ara-panahy.