plt_tn/2co/03/07.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto i Paoly dia mampifanohitra ny fihenam-boninahitry ny fanekena taloha amin'ny fahamboniana sy ny fahafahan'ny fanekena vaovao. Mampifanohitra ny fisalobonan'i Mosesy amin'ny fahazavan'ny fanambarana ankehitriny izy. Ny andron'i Mosesy dia kisarisary tsy mazava loatra ny amin'izay naseho ankehitriny.

Ary ny asa izay niteraka fahafatesana... dia tonga tamim-boninahitra lehibe

I Paoly dia manamafy fa na mitarika amin'ny fahafatesana aza ny lalana, dia mbola tena be voninahitra izany.

ny asa izay niteraka

"ny asa fanompoan'ny fahafatesana." Izany dia manambara ny lalan'ny Testamenta taloha izay nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy. DH: "ny asa fanompoana izay nahatonga fahafatesana satria izany dia mifototra amin'ny lalana"

voasoratra teo ambonin'ny vato

"voasokitra tamin'ny vato tamin'ny soratra." DH: "Izay nosoratan'Andriamanitra tamin'ny vato"

tamim-boninahitra lehibe

"amin'ny voninahitra lehibe"

Izany dia noho ny

"Tsy afaka nijery izy ireo satria"

Ho voninahitra lehibe toy ny ahoana ny asa izay ataon'ny Fanahy?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba hanindriana fa "ny asa izay ataon'ny Fanahy" dia tsy be voninahitra mihoatra noho ny "'asa izay niteraka" satria izany dia mitondra ho amin'ny fiainana. DH: "koa ny asa izay ataon'ny Fanahy dia tsy maintsy ho be voninahitra kokoa"

ny asa izay ataon'ny Fanahy

"ny asan'ny Fanahy." Ilazana ny fanekena vaovao, hanompoan'i Paoly izany. DH: "ny asa izay manome ny fiainana satria mifototra amin'ny Fanahy"