plt_tn/2co/03/04.md

1.3 KiB

izany no fitokiana

izany dia manambara izay vao nolazain'i Paoly. Ny fahatokiany dia avy amin'ny fahafantarany fa ireo Korintiana no fanamarinana ny asa fanompoany eo anatrehan'Andriamanitra.

tsy mahefa amin'ny tenantsika

"mahay amin'ny tenantsika" na "ampy ho an'ny tenantsika"

handray na inona na inona izay avy amintsika

Eto ny teny hoe "na inona na inona" dia maneho ny zavatra izay mifandray amin'ny asa fanompoana apostolikan'i Paoly. DH: "hilaza fa ny zavatra izay nataontsika tamin'ny asa fanompoana dia avy amin'ny ezaka izay nataontsika manokana"

ny fahefantsika dia avy amin'Andriamanitra

"Andriamanitra dia manome antsika ny ampy"

Fa ny soratra

Eto ny teny hoe "soratra" dia midika ireo soratra ao amin'ny abidy ary maneho ireo teny izay soratan'ny olona. Io fehezanteny io dia mifandraika amin'ny lalan'ny Testamenta Taloha. DH: "Ny fanekena izay tsy mifototra amin'ny didy izay nosoratan'ny olona"

fa an'ny Fanahy

Ny Fanahy Masina dia ilay iray izay manorina ny faneken'andriamanitra miaraka amin'ny olona. DH: "fa ny fanekena dia mifototra amin'izay ataon'ny Fanahy"

ny soratra mamono

Resahin'i Paoly toy ny hoe olona mamono ny lalan'ny Testamenta Taloha. Ny fanarahana izany lalana izany dia mitarika amin'ny fahafatesana. DH: "ny lalana voasoratra dia mitarika amin'ny fahafatesana"