plt_tn/2co/01/21.md

20 lines
868 B
Markdown

# Andriamanitra izay manamafy anay aminareo
Ireo mety ho dikany dia 1) "Andriamanitra manamafy ny fifandraisantsika amin'ny tsirairay satria ao amin'i Kristy isika" na 2) "Andriamanitra izay manamafy ny fifandraisanay sy fifandriasanareo amin'i Kristy."
# Izy no naniraka antsika
Ireo mety ho dikany 1) ''izy no naniraka antsika mba hitory ny filazan-tsara" na 2) ''nosorany isika mba ho vahoakany."
# Izy dia nanisy tombo-kase tamintsika
Izany dia midika fa Andriamanitra nanisy marika an'ireo mpino ho fananany manokana. DH: "Izy no nanisy marika antsika ho fananany manokana"
# nanome ny Fanahy ho ao am-pontsika
Eto ny teny hoe "fo" dia ilazana ny ampahany lalina anatin'ny olona. DH: "nanome ny Fanahy mba ho velona ao amintsika tsirairay"
# ny Fanahy ... ho antok'izay
Ny Fanahy dia resahina toy ny hoe fanonerana ampahany amin'ny fiainana mandrakizay.