plt_tn/2co/01/01.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Aorian'ny fiarahaban'i Paoly ny fiangonana any Korinto, dia manoratra momba ny fijaliana sy fampiononana tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy izy. Timoty dia niaraka taminy koa.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "ianareo" rehetra amin'ity taratasy ity dia manondro ny olona ao amin'ny fiangoanana ao Korinto ary ny Kristianina sisa tao amin'izany faritra izany. Mety ho i Timoty no manoratra amin'ny taratasy ireo teny izay lazain'i Paoly.

Paoly...an'ny fiangonan'Andriamanitra izay ao amin'ny Korinto

Ny fiteninao dia mety hanana ny fombany manokana hanampidirana ny mpanoratra ny taratasy ary ny mpamaky izany. DH: "Izaho, Paoly .... manoratra ity taratasy ity ho anareo, ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto"

Timoty rahalahintsika

Izany dia manondro an'i Paoly sy ireo Korintiana nahafantatra an'i Timoty ary nanao azy ho rahalahy ara-panahin'izy ireo.

Akaia

Izany dia anaran'ilay faritany Romana ao amin'ny ilany antsimon'ny Gresy ankehitriny.

Ho aminareo anie ny fahasoavana ary ny fiadanana

Izany dia fiarahabana iombonana izay ampiasain'i Paoly ao amin'ireo taratasiny.JJL