plt_tn/1ti/06/09.md

2.1 KiB

Ary

Izany dia manondro fiatoana amin'ny fampianarana. Eto i Paoly dia manomboka manohitra ny karazana harena tadiavin'ireo olona ratsy fanahy amin'ny alalan'ny toetra araka an'Andriamanitra ary ireo karazana tombony marina izay azon'ny olona amin'ny alalan'ny toetra araka an'Andriamanitra. DH: "mazava ho azy"

te ho lasa mpanan-karena dia latsaka ao anatin'ny fakam-panahy, ao anatin'ny fandrika

I Paoly dia miresaka momba ireo izay mamela ny fakam-panahin'ny vola hahatonga azy ireo hanota tahaka ny hoe biby nianjera tao anaty lavaka izy ireo izay nampiasain'ny mpihaza toy ny fandrika. DH: "mba hahatonga ho mpanan-karena dia hihaona bebe kokoa amin'ny fakam-panahy izay afaka toherin'izy ireo, ary ho toy ny biby anaty fandrika izy ireo.

Latsaka tao anatin'ny adalana sy ireo filàna mampidi-doza maro izy ireo

Izany dia midika fa ny adalan'izy ireo sy ireo filàna mampidi-doza maro dia handresy azy ireo. DH: "ary toy ny biby mianjera anaty lavaky ny mpihaza, dia hianjera amin'ny adalana maro sy filàna mampidi-doza maro izy ireo.

ary ihany koa ireo hafa mandetika ireo olona ao amin'ny faharavana sy ny fandriganana

I Paoly dia miresaka ny momba ireo izay namela ny fahotana hanimba azy ireo tahaka ny hoe sambo milentika anaty rano. DH: "Ary amin'ireo karazana zava-dratsy izay handrava sy handringana ny olona iray tahaka ny sambo milentika anaty rano"

Satria fototr'ireo karazan-dratsy rehetra ny fitiavam-bola

I Paoly dia miresaka momba ny mahatonga ny ratsy tahaka ny hoe fakan-javamaniry. DH: "Satria ny fitiavam-bola dia mahatonga ny karazan-dratsy rehetra"

izay maniry

"Izay maniry vola"

dia efa voavily niala tamin'ny finoana

I Paoly dia miresaka momba ny fanirian-diso tahaka ny hoe izy ireo dia mpitarika ratsy izay mitarika ireo olona hanaraka ny lalan-diso. DH: "namela ny fanirian'izy ireo hitondra azy ireo lavitry ny fahamarinana" na "nitsahatra nino ny fahamarinana"

nanindrona ny tenan'izy ireo tamin'ny fahoriana lehibe

I Paoly dia miresaka momba ireo alahelo tahaka ny hoe sabatra izay ampiasain'ny olona iray mba hanindromany ny tenan'izy ireo. DH: "nahatonga azy ireo halahelo be"