plt_tn/1ti/05/23.md

1.6 KiB

Tokony tsy hisotro rano intsony ianao

Izany dia midika fa i Paoly dia milaza fa tsy tokony hisotro rano fotsiny i Timoty. Nilaza tamin'i Timoty izy mba hampiasa divay ho fanafody. Ilay rano ao amin'ny faritra dia matetika nahatonga aretina

Ny fahotan'ireo olona sasany dia fantatra miharihary

DH: "Ireo fahotan'ny olona sasany dia miharihary loatra"

ary izy ireo dia mandeha alohan'ireo ao amin'ny fitsarana

"ny fahotan'izy ireo dia nandroso teo alohan'ireo olona ho any amin'ny fitsarana."I Paoly dia miresaka momba ny fahotana tahaka ny hoa afaka mifindra. Ireo mety ho dikany 1) Ny fahotan'izy ireo dia miharihary ka ho fantatry ny olona rehetra fa meloka izy ireo na dia tsy misy olona aza nijoro vavolombelona nanohitra azy ireo na 2) ny fahotan'izy ireo dia hita, ary Andriamanitra hitsara azy ireo ankehitriny.

Fa ny ota sasany manaraka avy aty aoriana

"Fa ny fahotana sasany dia hanaraka ny olona hafa any aoriana any." I Paoly dia miresaka momba ny fahotana tahaka ny hoe afaka mifindra. Ireo mety ho dikany 1) Timoty sy ireo vondrona Kristiana dia tsy hahalala ny momba ny fahotana sasany raha tsy any aoriana any na 2) Andriamanitra dia tsy hitsara ny fahotana sasany raha tsy amin'ny fitsarana farany.

tsara

Eto ny hoe "tsara" dia mifandraika amin'ny toetran'Andriamanitra, tanjony, sy ny sitrapony.

misy asa tsara fantatra miharihary

"misy asa tsara sasany miharihary"

saingy ireo sasany aza dia tsy azo afenina

I Paoly dia miresaka momba ny fahotana tahaka ny hoe zavatra afaka afenina izany. DH: "Fa ny olona dia hahita any aoriana na dia mahakasika ny asa soa izay tsy miharihary aza"