plt_tn/1ti/05/21.md

1.7 KiB

ireo anjely voafidiny

Izany dia milaza ireo anjely izay nofidin'Andriamanitra sy Jesosy hanompo azy ireo amin'ny fomba manokana.

hihazonanao ireo didy ireo tsy misy fitsaratsarana ary mba tsy hanaovanao na inona na inona amin'ny fiandaniana

Ny teny hoe "fitongilanana" sy "fiandaniana" dia midika zavatra mitovy. I Paoly dia manamafy fa i Timoty dia tsy maintsy mitsara marina sy ho tsara fanahy amin'ny rehetra. DH: "fa ianareo mitazona ireo lalàna ireo tsy misy ampahany na mampiseho fiandaniana amin'ny olona"

hihazonanao ireo didy ireo

Ireo mety ho dikany 1) izany dia manondro ireo lalàna izay vao nolazain'i Paoly an'i Timoty na 2) Izany dia manondro ireo lalàna izay vao ho lazain'i Paoly an'i Timoty.

mametra-tanana

Izany dia lanonana izay hametrahan'ny iray na mpitarika fiangonana maromaro ireo tanany amin'ny olona ary mivavaka fa Andriamanitra dia hanaiky ireo olona hanompo ny fiangonana amin'ny fomba mety ankasitrahan'Andriamanitra. Timoty dia niandry mandra-pahatongan'ilay olona naneho toetra tsara nandritran'ny fotoana ela alohan'ny hametrahana izany olona izany hanompo ireo vondrona Kristianina.

Aza miray amin'ny fahotan'ny olon-kafa

I Paoly dia miresaka momba ny fahotan'ny olona tahaka ny hoe zavatra izay afaka zaraina amin'ny hafa. DH: "Aza miray amin'ny fahotan'ny olona hafa" na "aza mandray anjara rehefa manota ny olona hafa"

Aza miray amin'ny fahotan'ny olon-kafa

Ireo mety ho dikany 1) raha nifidy olona izay meloka amin'ny fahotana mba ho mpiasa ao am-piangonana i Timoty, Andriamanitra dia handray an'i Timoty ho tompon'andraikitra amin'ny fahotan'izany olona izany na 2) Timoty dia tsy tokony hanao ny fahotana izay hitany ataon'ny olona.