plt_tn/1ti/05/17.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

I Paoly dia mbola miteny hatrany ny fomba tokony hitondrana ireo loholona (tompon'andraikitra) ary avy eo nanome torolalana manokana an'i Timoty.

Aoka ireo loholona izay manapaka tsara mba ho raisina ho mendri-boninahitra

DH: "ireo mpino rehetra dia tokony hieritreritra fa ireo loholona izay mpitarika tsara dia mendri-boninahitra"

avo roa heny

Ireo mety ho dikany 1) "amin'ny fanajana sy fandoavam-bola" na 2) "manaja kokoa noho ny hafa"

ireo izay miasa miaraka amin'ny teny sy amin'ny fampianarana

I Paoly dia miresaka momba ny teny tahaka ny zavatra iray izay afaka hiasan'ny olona. DH:" Ireo izay mitory sy mampianatra ny tenin'Andriamanitra"

Fa hoy ny Soratra Masina

Izany dia fanehoana izay midika fa izany no voasoratry ny olona ao amin'ny soratra masina. DH: "Fa isika dia mamaky ao amin'ny soratra masina fa"

Tsy tokony hanisy fehiny ny vavan'ny ny omby ianao raha mbola mbola mively voa izy

I Paoly dia mampiasa izany teny izany tahaka ny sarin-teny milaza fa ny mpitarika ny fiangonana dia mendrika ny handray fandoavam-bola avy amin'ny vondrona Kristianina noho ny asan'izy ireo.

fehiny ny vava

Fehy izay mandalo ny orona sy ny vavan'ny biby izay tsy mamela azy hihinana raha mbola miasa

mively voa

Izany dia rehefa mandeha ny omby na misintona zavatra mavesatra eo amin'ny voa tapatapaka mba hanasarahana ny voa amin'ny vato. Ilay omby dia avela hihinana ny sasany amin'ny voa satria niasa izy ireo.