plt_tn/1ti/05/09.md

1.6 KiB

Aoka hosoratana ho mpitondratena

toa misy lisitra izany, voasoratra na tsia, amin'ny mpitondratena. ireo mpikambana ao amin'ny fiangonana dia namaly ny filàn'ireo vehivavy fialofana, fitafiana, sy sakafo; ary ireo vehivavy ireo dia efa nantenaina hanolotra ny fiainan'izy ireo mba hanompo ny vondron'ny Kristiana.

izay tsy latsaky ny enimpolo taona

Tahaka ny nazavain'i Paoly tao amin'ny 5:11-16, ireo mpitondratena izay tanora latsakin'ny 60 taona dia mety hanambady indray. Ka noho izany ny vondron'ny Kristiana dia tokony hikarakara ireo mpitondratena maherin'ny 60 ihany.

vehivavy iray izay vadin'ny lehilahy iray

Ireo mety ho dikany 1) izy dia tsy nampirafy ny vadiny mihitsy na 2) tsy mbola nisaraka tamin'ny vadiny izy ary avy eo nanambady lehilahy hafa.

Tokony ho fantatra noho ireo asa tsara izy

DH: "Tsy maintsy ho fantatry ny olona izany asa tsarany izany"

nampiantrano ireo mpivahiny

"nandray ireo vahiny tao amin'ny tranony"

na nanasa ny tongotr'ireo mpino

Ny fanasana ny tongotra maloton'ny olona izay avy nandeha tamin'ny loto sy fotaka dia fomba iray amaliana ny filàn'ny olona hafa ary mahatonga ny fiainana ho tsaratsara kokoa amin'izy ireo. izany dia mety midika fa izy dia nanao asa fanetren-tena tamin'ny ankapobeny. DH: "nanao ny asa mahazatra hanampiana ireo mpino hafa"

'ireo mpino

Ny dikan-teny sasany dia mandika ny hoe: "Ireo mpino" toy ny hoe: "olo-masina" na "olon'Andriamanitra masina." Ny hevitra manan-danja dia ny fanondroana ireo Kristiana mpino.

nanamaivana ny ory

DH: "Nanampy ireo izay nijaly izy"

nanolo-tena tamin'ny asa tsara rehetra

"nanome ny tenany amin'ny fanaovana ny karazana asa tsara rehetra.