plt_tn/1ti/04/14.md

1.8 KiB

Aza tsinontsinoavina ny fanomezam-pahasoavana izay ao aminao

I Paoly dia miresaka amin'i Timoty tahaka ny hoe daba afaka mitazona ireo fanomezan'Andriamanitra. DH: "aza atao an-tsirambina ny fanomezana ara-panahy"

Aza tsinontsinoavina

DH: "aoka ho azo antoka ny fampiasana"

izay nomena anao tamin'ny alalan'ny faminaniana

DH: "izay noraisinareo rehefa nilaza ny tenin'Andriamanitra ireo mpitariky ao amin'ny fiangonana"

niaraka tamin'ny fametrahan-tanan'ireo loholona

Izany dia lanonana izay ametrahan'ny mpitarika ny fiangonana ny tanan'izy ireo eo amin'i Timoty ary nivavaka mba hamelan'Andriamanitra azy hanao ny asa izay efa nandidiany azy ho ataony.

Tandrovy ireny zavatra ireny. Meteza ho ao amin'izy ireo

I Paoly dia miresaka momba ny fanomezan'Andriamanitra ho an'i Timoty tahaka ny hoe afaka ny ho ao amin'izy ireo ara-batana izy. DH: "ataovy ireny zavatra rehetra ireny ary miaina araka izy ireny"

mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.

I Paoly dia miresaka momba ny fampitomboana ny fahafahan'i Timoty mba hanompo an'Andriamanitra tahaka ny zavatra ara-batana izay afaka jeren'ny hafa. DH: "mba hahafahan'ny olona hafa mahafantatra fa manompo an'Andriamanitra tsaratsara kokoa ianao"

Tandremo tsara ny tenanao sy ny fampianarana

"mitandrema tsara ny tenanareo" na "fehezo ny fitondran-tenanareo"

Tohizo ireny zavatra ireny

"Tohizo ny fanaovana ireny zavatra ireny"

ho vonjenao ny tenanao sy ireo izay mihaino anao

"hitazona ny tenanao sy ireo izay mihaino anao amin'ny finoana hafatra diso na ny fanaovana ireo asa tsy mety ianao. "Ireo olona izay efa nino ny hafatra diso sy asa tsy mety dia afaka manantena fa hijaly vokatr'izany. I Paoly dia tsy maniry an'i Timoty sy ireo namany hijaly amin'ny finoana sy ny fanaovana zava-datsy.