plt_tn/1ti/04/01.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

I Paoly dia milaza an'i Timoty izay nolazain'ny Fanahy fa hiseho sy nankahery azy amin'izay tokony ampianariny.

Ankehitriny

Izany teny izany dia ampiasaina mba hanamarihana ny fiatoana amin'ny fampianarana lehibe. Eto i Paoly dia manomboka ny fitenenany ny ampahany vaovao amin'ny fampianarana.

amin'ny fotoana any aoriana any

Ireo mety ho dikany 1) izany dia manambara ny fotoana aorian'ny fahafatesan'i Paoly na 2) izany no fotoana farany amin'ny fiainan'i Paoly manokana.

hiala amin'ny finoana

I Paoly dia miresaka momba ireo olona mitsahatra matoky an'i Kristy tahaka ny fialana ara-batana amin'ny toerana iray na zavatra iray. DH: "mitsahatra mino an'i Jesosy"

ary mitandrema tsara

"Ary tandremo" na "satria izy ireo dia mitandrina"

amin'ireo fanahy mpamitaka sy ireo fampianaran'ireo demonia

"Fanahy izay mamitaka ny olona ary ireo zavatra izay ampianarin'ny demonia"

amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpandainga

"Ireo olona ireo dia hihatsaravelatsihy ary hiteny lainga"

Fa voamarika amin'ny vy mamay ny feon'ny fieritreretan'izy ireo

Ireo mety ho dikany 1) i Paoly dia miresaka amin'ireo olona izay tsy afaka ny hilaza intsony fa manao ny tsy mety izy ireo tahaka ny sain'izy ireo izay simba toy ny hoditra izay nodoran'ny olona tamin'ny vy mandoro na 2) i Paoly dia miresaka amin'ireo olona tahaka ny hoe nametrahan'ny Satana marika izy ireo tamin'ny vy mandoro mba hanondroana fa izy ireo dia ho azy.