plt_tn/1ti/03/14.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

I Paoly dia milaza an'i Timoty ny antony nanoratany ho azy ary avy eo namaritra ny fitiavan'i Kristy.

ary manantena ny ho avy tsy ho ela any aminao aho"

"Na dia manantena ny hitsidika anareo tsy ho ela aza aho"

Fa raha tara aho

"Fa raha tsy afaka mankany tsy ho ela aho" na "Nefa raha misy zavatra tsy mamela ahy ho any tsy ho ela"

ao amin'ny tokantranon'Andriamanitra

I Paoly dia miresaka momba ny vondron'ireo mpino tahaka ny hoe fianakaviana izy ireo. DH: "Tahaka ny vondron'ny fianakavian'Andriamanitra" na "eo amin'ny olon'Andriamanitra"

izay fiangonana

Izany fehezanteny izany dia manome antsika fampahafantarana momba ny "tokantranon'Andriamanitra" fa tsy manisy fiavahana eo amin'ny ankohonan'Andriamanitra izay fiangonana ary ilay iray izay tsy fiangonana. Izany dia afaka lazaina toy ny fehezanteny vaovao DH: "Ireo izay anisan'ny fianakavian'Andriamanitra dia ilay fiaraha-monina izay mino an'Andriamanitra velona.

ilay Andriamanitra velona

Izany fomba fiteny izany dia mety miresaka an'Andriamanitra ho toy ilay iray izay manome ny fiainana ho an'ny rehetra.

ilay vato fehizoro sy fiorenan'ny fahamarinana

I Paoly dia miresaka momba ireo mpino mijoro vavolombelona ho an'ny fahamarinana momba an'i Kristy tahaka ny hoe vato fehizoro izy ireo ary fototra izay manohana ny trano. DH: "Ary, amin'ny fitazomana sy fampianarana ny fahamarinan'Andriamanitra, ireo mpikambana ao amin'ny fiangonana dia manohana ny fahamarinana tahaka ny vato fehizoro sy fototra izay manohana ny trano izany.