plt_tn/1ti/02/13.md

1.3 KiB

Adama no noforonina voalohany

DH: "Adama dia ilay iray izay noforonin'Andriamanitra voalohany" na "Andriamanitra namorona an'i Adama voalohany"

avy eo Eva

DH: "Avy eo Andriamanitra namorona an'i Eva"

ary tsy voafitaka i Adama

DH: "Ary Adama dia tsy ilay iray izay voafitaky ny bibilava"

fa ny vehivavy no voafitaka tanteraka tamin'ny fandikan-dalàna

DH: "fa ilay vehivavy no tsy nankato satria ilay bibilava dia namitaka azy tanteraka"

hovonjena izy amin'ny alalan'ny fiterahan-jaza

Eto ny hoe "izy" dia milaza ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ireo mety ho dikany 1) Andriamanitra dia hitazona ny fiarovana ara-batana ireo vehivavy rehefa hiteraka ny zaza izy ireo na 2) Andriamanitra dia hamonjy ny vehivavy amin'ny fahotan'izy ireo amin'ny alalan'ny andraikiny amin'ny maha mpitondra zaza.

hovonjena izy

DH: "Andriamanitra hamonjy azy" na "Andriamanitra hamonjy ireo vehivavy"

raha mitohy

"Raha mitoetra izy ireo" na "raha manohy ny fiainany izy ireo" Eto ny teny hoe: "izy ireo" dia manondro ireo vehivavy.

amin'ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana

"amin'ny finoana an'i Jesosy sy ny fitiavana ny hafa ary ny miaina amin'ny fiainana masina"

miaraka amin'ny fahononan-tena

"miaraka amin'ny fifehezan-tena" na "amin'ny fahalalana izay tsara"