plt_tn/1ti/02/08.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

I Paoly dia mamarana ny torolalany amin'ny vavaka ary avy eo manome torolalana manokana ho an'ny vehivavy.

tiako ny lehilahy na aiza na aiza mba hivavaka sy hanandra-tanana masina tsy am-pahatezerana na amin'ny fifandirana

Eto "ireo tanana masina" dia midika fa ny olona manontolo dia masina DH: "tiako ny lehilahy na aiza na aiza misy azy ireo ka masina mba hanandratra ny tanan'izy ireo ary hivavaka"

ny lehilahy na aiza na aiza

ny lahy amin'ny toerana rehetra" na "ny lahy na aiza na aiza." Eto ny teny hoe "lehilahy" dia milaza manokana ireo lehilahy.

hanandra-tanana

Fihetsika ara-dalàna ho an'ny olona ny manangan-tanana rehefa mivavaka

amin'ny fahamaotinana sy fahafehezan-tena

mifehy ireo teny ireo dia milaza zavatra roa mitovy. I Paoly dia manamafy fa ny vehivavy dia tokony manao ireo akanjo izay mendrika ary tsy mahasarika ny sain'ny lehilahy.

Tsy tokony hanao volo mirandrana

Tamin'ny vanim-potoanan'i Paoly, vehivavy Romana maro no nandrandrana ny volon'izy ireo mba hahatonga ny tenan'izy ireo ho mahasarika. Ny firandranana no fomba tokana ahafahan'ny vehivavy misarika ny saina amin'ny volony. Raha ny tsy fantatra ny firandranana, dia afaka lazaina amin'ny ankapobeny kokoa izany. DH: "Tsy tokony hanana taovolo manaraka ny toetr'andro" na "Tsy tokony manao taovolo manintona ny saina izy ireo"

voahangy

vakana tsara tarehy sy sarobidy izay ampiasain'ny olona tahaka ny vato soa. Izy ireny dia miforona ao anatin'ny akoran'ny karazana biby kely iray izay miaina any anaty ranomasina.

izay mampiseho toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo asa tsara

"izay te hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny zavatra tsara izay ataon'izy ireo