plt_tn/1sa/25/07.md

993 B

manana mpanety maro ianao

"miasa ireo mpanetinao" na "manana ondry ho hetezana ny mpanetinao." Tian'i Davida mba hiteny ireo olony mba hahafantaran'i Nabala fa tsy maninona ny ondriny satria nanampy tamin'ny fiandrasana azy ireo ny olon'i Davida.

tsy mba nanisy ratsy azy ireo izahay

Manindro ny fomba nanomezany sy ireo olony fiarovana ho an'ny mpanompon'i Nabala sy ny biby fiompiny i Davida. Io dia azo atao hoe DH: "niaro azy ireo sy ny fananany rehetra tamin'ny ratsy izahay"

avelao ireo zatovo lahiko hahita sitraka eo imasonao

Eto ny maso dia maneho ny fahitana, ary ny fahitana dia maneho ny fihevitra na fitsarana. DH: "hankasitraka ireo zatovolahiko anie ianao" na "ho raisinao am-pankasitrahana anie ireo zatovolahiko"

ho an'ireo mpanomponao

Naneho fanajana tamin'i Nabala tamin'ny fiantsoana ny olony ho mpanompon'i Nabala i Davida.

Davida zanaka lahinao

Miresaka toy ny hoe zanak'i Nabala i Davida mba hanehoany fa nanaja an'i Nabala, izay efa olon-dehibe izy.