plt_tn/1sa/25/02.md

1.3 KiB

Nisy lehilahy iray tany Maona, izay tany Karmela ny fananany. Tena nanan-karena ilay lehilahy. Nanana ondry telo arivo sy osy arivo izy. Nanety ny ondriny tany Karmela izy. Nabala no anaran'ilay lehilahy, ary ny anaran'ny vadiny dia Abigaila. Naranin-tsaina ilay vehivavy ary tsara endrika. Fa ilay lehilahy kosa masiaka sady ratsy tamin'ireo fitondrany. Taranaky ny ankohonan'i Kaleba izy.

Mety ilain'ny mpandika teny sasany ny mandrafitra ny hevitra amin'ny fomba hafa eto amin'ireto andininy ireto. DH: "Nisy lehilahy iray izay Nabala no anarany, taranaky ny ankohonan'i Kaleba, izay mpanefoefo tokoa. Nipetraka tany Maona izy, saingy tany Karmela ny fananany. Nanana ondry telo arivo sy osy arivo izy. Nasiaka sady ratsy tamin'ny fitondrany io lehilahy io. Abigaila no anaran'ny vadiny. Naranin-tsaina sady tsara endrika io vehivavy io. Ary nanety ny ondriny tao Karmela izy."

Maona

Anarana vohitra io.

Karmela

Anarana vohitra io. Samihafa amin'ny Tendrombohitra Karmela io.

telo arivo

3.000

arivo

  1. 000

Nanety ny ondriny

"nanaratra ny volon'ny ondriny"

Nabala

Anaran-dehilahy io.

Abigaila

Anaram-behivavy io.

Taranaky ny ankohonan'i Kaleba izy

Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "Taranaky ny fianakavian'i Kaleba izy" na "Taranak'i Kaleba izy"