plt_tn/1sa/10/11.md

1.3 KiB

nona no nahazo ny zanaka lahin'i Kisy?

Ireo mety ho heviny dia 1) mitady fampahafantarana ny olona 2) io dia fanontaniana fampisainana izay midika fa tsy manan-danja i Saoly. DH: "Tsy olona manan-danja i Kisy, noho izany dia tsy marina mihitsy fa lasa mpaminany ny zanany!"

ny zanaka lahin'i Kisy?

"Saoly, zanak'i Kisy"

Dia iza no rain'izy ireo?

Mampiasa fanontaniana fampisainana io lehilahy io mba hampatsiahivana ny olona fa ny maha-mpaminany dia tsy misy hidirany amin'ny hoe izy no ray aman-drenin'io olona io. Azo adika ho fanambarana tsotra io fanontaniana io. DH: "Tsy olana hoe iza no ray aman-drenin'ireo mpaminany hafa ireo. Ny zava-dehibe dia, ny filazan'i Saoly ny hafatra avy amin'Anriamanitra, amin'ny fomba mahagaga." (UDB)

Noho izany, dia lasa fiteny ny hoe: "Anisan'ireo mpaminany ihany koa ve i Saoly?"

Nanjary ohabolana teo amin'ny Israelita izany. Toa nilaza izany ny olona mba hanehoana ny fahatairana rehefa manao zavatra izay mbola tsy nataony taloha amin'ny fomba tsy ampoizina ny olona iray. Ny hevitra ambadik'io fanontaniana io dia azo ambara amin'ny fomba mazava. DH: "Ary izany no antony hiheveran'ny olona momba ny nahazo an'i Saoly ka hanaovany hoe: 'Tena isan'ireo mpaminany tokoa ve i Saoly?' rehefa tsy mety mino zavatra zavatra iray ny olona."