plt_tn/1sa/09/20.md

1.1 KiB

Ary napetraka tamin'iza ireo fanirian'Israely rehetra? Tsy ho aminao sy ho amin'ny ankohonan-drainao rehetra ve?

Ireto fanontaniana ireto dia fanehoana faharesen-dahatra lalina fa i Saoly ilay iray izay tian'Andriamanitra ho mpanjaka araka izay tadiavin'ny Israelita. Azo adika ho fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Tokony ho fantatrao fa efa natao ny fanirian'Israely rehetra. Napetraka teo aminao sy ny fianakavian-drainao ireo."

Fa tsy Benjamita ve aho ... indrindran'Israely? Tsy ny fianakaviambeko ve ... Benjamina? Koa nahoana no izany fomba izany no niresahanao tamiko?

Maneho fahatairana i Saoly satria Benjamina no foko kely indrindra ao Israely, ary noraisin'ireo Israelita sasany ho tsy manan-danja io foko io. Ary koa, ny Benjamita dia nandray ny fianakaviam-be izay nisy an'i Saoly ho ambany. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Avy amin'ny fokon'i Benjamina aho, izay ambany indrindra amin'ny foko rehetra. Ary ny fianakaviam-beko no ambany indrindra amin'ny fokonay. Tsy azoko hoe nahoana ianao no milaza fa tian'ny vahoaka Israelita rehetra sy ny fianakaviako hanao zavatra lehibe aho.''