plt_tn/1sa/02/09.md

853 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.

ambenany ny tongotry ny olony mahatoky

Eto ny hoe "tongotra" dia ilazana ny fomba fandehan'ny olona iray, izay sarinteny ilazana ny fanapahan'ny olona hevitra ny amin'ny fomba hiainany ny fiainany. DH: "miaro ny olony mahatoky tsy handray fanapahan-kevitra adaladala" na "mahatonga ny olony mahatoky handray fanapahan-kevitra hendry"

ny ratsy fanahy kosa dia hampanginina any amin'ny aizim-pito

Io dia fomba mihaja ilazana fa hamono ny ratsy fanahy Yaveh ary azo atao hoe DH: "hampanginin'i Yaveh any amin'ny aizim-pito ny ratsy fanahy" na "Halefan'i Yaveh any amin'ny tontolon'ny maty izay maizina sady mangina ny ratsy fanahy"

ny ratsy fanahy kosa dia hampanginina

Io dia azo atao hoe DH: "Hampanginin'i Yaveh izy ireo"

amin'ny hery

"satria mahery Izy"