plt_tn/1sa/02/03.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana. Miteny toy ny hoe misy olona hafa miresaka aminy izy.

ny fiavonavonana

"teny miavonavona"

amin'ny alalany no handanjana ny asa

Io dia azo adika hoe DH: "Izy no mandanja ny asan'ny olona" na "fantany ny antony anaovan'ny olona fihetsika tahaka ny ataony"

Ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery dia tapaka

Ireo mety ho hieviny dia 1) ireo tsipìka mihitsy no tapaka na 2) voasakana tsy hanao na inona na inona ireo olona mitondra ny tsipìka. DH: "Tsy afa-miasa ireo mpandefa tsipìka mahery"

Ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery dia tapaka

Io dia azo adika hoe DH: "Tapahin'i Yaveh ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery" na "Afaka mampahosa na dia ireo mahery indrindra aza Yaveh"

ireo tafintohina kosa dia misikin-kery tahaka ny fehikibo

Io sarinteny io dia midika fa tsy ho tafintohina intsony izy ireo, fa hitoetra mafy tahaka ny fehikibo ny heriny. DH: "hampatanjaka ireo izay tafintohina Izy"

misikina ... fehikibo

Teny amin'ny ankapobeny ilazana ny famatorana zavatra eo amin'ny valahana mba hiomanana ho amin'ny asa izany.