plt_tn/1sa/01/07.md

799 B

ny rafivaviny

Penina, ilay vadin'i Elkana iray hafa io. Ny rafy dia olona izay mifanandrina amin'ny olona iray hafa. Amin'ity toe-javatra iray ity dia mifaninana amin'ny Hana i Penina mba hitiavan'i Elekana azy kokoa.

"Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy misakafo? Nahoana ny fonao no malahelo? Tsy tsara aminao noho ny zanaka lahy folo ve aho?

Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia azo adika ho fanambarana tsotra, raha ilaina. DH: "Hana, tsy tokony hitomany ianao. Tokony hisakafo ianao, ary tokony hifaly ny fonao satria tsara kokoa noho ny zanaka lahy folo aho!" na "Kely monja ny antony tokony halahelovanao. Iangarako ianao ary tokony ho ampy izany."

noho ny zanaka lahy folo

Ampiasain'i Elkana io fomba fiteny io mba hanindriana ny amin'ny lanjan'i Hana aminy.