plt_tn/1pe/05/10.md

997 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Izany no taratasy faran'i Petera. eto izy dia manome ny fanamarihany farany momba ny taratasiny sy ny fanaovam-beloma.

nandritra ny fotoana fohy

"amin'ny fotoana fohy"

ny Andriamanitry ny fahasoavana rehetra

Eto ny teny hoe "fahasoavana" dia manambara na amin'ny zavatra omen'Andriamanitra na ny amin'ny toetran'Andriamanitra. Ireo mety ho dikany 1) "Ilay Andriamanitra izay manome izay ilaintsika mandrakariva" na 2) "Andriamanitra izay mamindra fo mandrakariva."

izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy

"izay nifidy antsika hizara ny voninahiny mandrakizay any an-danitra satria isika dia miaraka amin'i Kirsty"

hahatanteraka anareo

"mamerina anareo" na "manao anareo ho tsara indray"

hanangana anareo, ary hampahery anareo.

Ireo teny roa ireo dia manana ny dikany mitovy, izay hoe, fa Andriamanitra dia hahatonga ireo mpino hahatoky azy ary hankato azy na inona na inona fijaliana mety hiainan'izy ireo.