plt_tn/1pe/03/10.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ato amin'ireto andininy ireto dia mamerina teny avy ao amin'ny Salamo i Petera.

hankafy ny fiainana sy te hahita andro tsara

Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mitovitovy hevitra ary manamafy ny faniriana ny hanana fiainana tsara.

hahita andro tsara

Eto ny fiainana zavatra tsara dia toy ny hoe mahita zavatra tsara. Ny teny hoe "andro" dia ilazana ny androm-piainan'ny olona iray. DH: "hiaina zavatra tsara mandritra ny fiainany"

hanatsahatra ny lelany amin'ny ratsy sy ny molony amin'ny fitenenana fitaka

Ny teny hoe "lela" sy "molotra" dia ilazana ny olona miteny. Ireo teny roa ireo dia mitovy hevitra ihany ary manamafy ny didy mba tsy handainga. DH: "atsaharo ny fitenenana zavatra ratsy sy feno fitaka"

Ny mason'ny Tompo mahita ny marina

Ny teny hoe "maso" dia ilazana ny fahafahan'ny Tompo mahafantatra zavatra. Ny faneken'Andriamanitra ny olo-marina dia toy ny hoe fahitany azy ireo. DH: "Ny Tompo mahita ny marina" na "Ny Tompo manaiky ny olo-marina"

ary ny sofiny mandre ireo fangatahan'izy ireo

Ny teny hoe "sofina" dia ilazana ny fahafantaran'ny Tompo izay lazain'ny olona. Ny hevitr'izany dia hoe mamaly azy ireo ihany koa Izy. DH: "mandre ny fangatahan'izy ireo Izy" na "mamaly ny fangatahan'izy ireo Izy"

Fa ny tavan'ny Tompo dia manohitra

Ny teny hoe "tava" dia ilazana ny fahavononan'ny Tompo hanohitra ireo fahavalony. Ny fanoherana olona iray dia toy ny hoe mametraka ny tarehiny manoloana io olona io. DH: "ny Tompo manohitra''