plt_tn/1pe/01/22.md

1.3 KiB

Nanadio ny fanahinareo ianareo

Eto Petera dia miresaka ireo mpino toy ny hoe nanadio ny tenany izy ireo. Amin'ny tena izy, tsy nanao na inona na inona izy ireo fa manaiky ny famonjena avy amin'i Kristy.

Nanadio ny fanahinareo ianareo

Eto ny teny hoe ''fanahy'' dia maneho ny maha-olona iray manontolo. DH: ''nanadio ny tenanareo ianareo''

nanadio

Eto ny hevitry ny fahadiovana dia midika hoe ankasitrahan'Andriamanitra.

fitiavana ara-pirahalahiana

Ity dia maneho ny fitiavana eo amin'ny namana mpino.

mifankatiava fatratra amin'ny fo

Eto ny teny hoe ''fo'' dia maneho ny sezan'ny fihetseham-po ary manondro fa tokony ho tia tanteraka izy ireo. DH: "mifankatiava fatratra sy tanteraka" na ''mifankatiava fatratra sy amin'ny fo manontolo"

Nateraka indray ianareo, tsy avy amin'ny voa maty, fa avy amin'ny voa tsy maty

Ireo dika azo heverina: 1) tahaka ny voan'ny hazo maniry izay mitombo sy mamokatra fiainana vaovao eo amin'ireo mpino na 2) tahaka ny sela kely ao anatin'ny lehilahy na vehivavy izay mikambana mba hampitombo ny zazakely ao anatin'ny vehivavy.

tsy mety maty

''maharitra''

amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra velona sy mitoetra

Petera miresaka ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe velona mandrakizay izany. Amin'ny tena izy, Andriamanitra no velona mandrakizay, ary ny didiny sy fampanantenany dia maharitra mandrakizay.