plt_tn/1pe/01/08.md

805 B

fifaliana tsy hay lazaina, mahafinaritra

''fifaliana mahafinaritra izay tsy hay faritana''

ny famonjena ny fanahinareo

Eto ny teny hoe ''fanahy'' dia maneho ny maha-olona iray manontolo. DH: "ny famonjena anareo'' na "Andriamanitra mamonjy anareo"

famonjena ... fahasoavana

Ireo teny ireo dia maneho hevitra toy ny hoe zavatra. Raha ny tena izy, ny ''famonjena'' dia maneho ny fihetsik'Andriamanitra mamonjy antsika, na izay vokatra hitranga. Mitovitovy amin'izay, ny ''fahasoavana'' dia maneho ny hatsaram-panahy izay hanampian'Andriamanitra ireo mpino.

nikaroka sy nanontany

Ny hoe ''nanontany tsara'' dia mitovy hevitra amin'ny hoe ''nitady'' amin'ny ankapobeny. Ireo teny ireo miaraka dia manamafy ny hamafin'ny fiezahan'ireo mpaminany hahazo ity famonjena ity. DH: ''nandinika tsara''