plt_tn/1ki/12/16.md

1.1 KiB

Israely rehetra

Eto ny hoe "Israely" dia sarinteny hilazana ny lehilahin'i Israely rehetra izay afaka miady. Ny "Israely rehetra" dia itatra izay midika fa saika ny lehilahin'Israely rehetra. DH: "ny lehilahin'Israely rehetra"

Inona no mba anjaranay ao amin'i Davida?

Ny "anjara" dia sarinteny midika hoe zara, tombony. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny tsotra. DH: "Tsy hanana anjara ao amin'ny fianakavian'i Davida izahay."

Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay

Ny hoe "zanaka lahin'i Jese" dia sarinteny hilazana an'i Davida, zanaka lahin'i Jese. Ny hoe ''lova" dia sarinteny hilazana ny ampahany sisa izay an'ny olona avy amin'ny fahombiazan'i Davida. DH: "Tsy hanana na inona na inona amin'ny taranak'i Jese izahay"

Mankanesa any an-dainareo, ry Israely

Ny hoe "lay" dia sarinteny manambara ny toerana nipetrahan'ny olona. DH: "Modia any an-tranonareo, ry vahoakan'Israely"

Ankehitriny jereo ny ankohonanao, ry Davida

Ny hoe "trano" dia sarinteny hilazana ny taranak'i Davida mahery sy misy voninahitra. DH: "Ary karakarao ny fanjakanao, ry taranak'i Davida"