plt_tn/1jn/04/09.md

1022 B

Noho izany ny fitiavan'Andriamanitra dia nambara tamintsika

Afaka atao hoe: DH: "Tamin'ny alalan'izany no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika"

ny fitiavan'Andriamanitra dia nambara

Ny hoe Andriamanitra tia ny olon-drehetra dia resahina toy ny hoe zavatra iray izay afaka asehon'Andriamanitra azy ireo.

mba ho velona noho Izy isika

"mba hahatonga antsika ho velona mandrakizay noho izay nataon'i Jesosy"

Ao amin'izany fitiavana izany

"Andriamanitra nampiseho antsika ny tena fitiavana "

izany fitiavana izany, tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ary

"izany fitiavana izany: ny tena fitiavana dia tsy ny fomba hitiavantsika an'Andriamanitra, fa ny fomba hitiavany antsika, ary"

ny nandefasany ny Zanany lahy ho fanavotana ireo fahotantsika

Eto ny hoe: "fanavotana" dia maneho ny tranga izay nahalasa sorona ny Zanaka noho ny fahotan'ny zanak'olombelona rehetra. DH: "ary nandefa ny Zanany hanao sorona ny tenany mba hahafahan'Andriamanitra mamela ny fahotantsika"