plt_tn/1jn/03/09.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ankehitriny Jaona dia mamarana ity fizarana ity amin'ny fahaterahana vaovao sy ny toetra vaovao izay tsy afaka manota.

Na iza na iza naterak'Andriamanitra

Afaka atao hoe: DH: "Na iza na iza nataon'Andriamanitra ho zanany"

ny voa avy tamin'Andriamanitra

Izany dia miresaka ny Fanahy Masina, izay omen'Andriamanitra ireo mpino ka hahatonga azy ireo ho afaka hanohitra ny fahotana ary hanao izay mahafaly an'Andriamanitra toy ny hoe voa mivaingana izay nambolena tao anaty tany ka nitombo. Izany matetika dia maneho ny toetra vaovao. DH: "ny Fanahy Masina"

naterak'Andriamanitra

Afaka atao hoe: DH: "Andriamanitra nanome fiainana ara-panahy vaovao azy" na "zanak'Andriamanitra izy"

Ao amin'izany no hampisehoana ireo zanak'Andriamanitra sy ireo zanaky ny devoly

Afaka atao hoe: DH: "Izany no hahafantarantsika ny zanak'Andriamanitra sy ny zanaky ny devoly"

Na iza na iza tsy manao ny marina dia tsy avy amin'Andriamanitra; na ny iray izay tsy tia ny rahalahiny ihany koa aza

Eto ny hoe: "rahalahy" dia midika hoe namana Kristiana. "Ireo izay manao ny fahamarinana ihany no avy amin'Andriamanitra, ary izay tia ireo rahalahiny ihany no avy amin'Andriamanitra"