plt_tn/1jn/03/01.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Amin'ity ampahany ity Jaona dia miteny an'ireo mpino momba ny toetra vaovaon'izy ireo izay tsy afaka manota.

Indro toy ny inona ny fitiavana nomen'ny Ray antsika

"Hevero ny fitiavan'ny Ray antsika"

mba hiantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra

"ny Ray dia miantso antsika hoe zanany"

zanaka

Midika hoe olona izay an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana ao amin'i Jesosy izany eto.

Noho izany antony izany, izao tontolo izao dia tsy mahafantatra antsika, satria tsy mahafantatra azy izany

Ireo mety ho dikany: 1) "Satria isika dia zanak'Andriamanitra ary satria izao tontolo izao dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra, dia tsy mahafantatra antsika izany" na 2) Satria izao tontolo izao dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra, dia tsy mahafantatra antsika izany."

izao tontolo izao dia tsy mahafantatra antsika, satria tsy mahafantatra azy izany

Eto ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia maneho ny olona izay manome voninahitra an'Andriamanitra. DH: "Ireo izay tsy manome voninahitra an'Andriamanitra dia tsy mahafantatra fa isika dia an'Andriamanitra, satria izy ireo dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra"

Ry malala

"Ianareo ry olona izay tia Ahy" na "Ry namana malala." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 2:7.

izany dia mbola tsy nambara

Afaka atao hoe: DH: "Andriamanitra tsy mbola nanambara"

nambara

Izany dia mety midika hoe: "nolazaina" na "naseho."

Ny rehetra izay manana izany fahatokisana momba ny ho avy mifototra aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy

"Izay rehetra mahatoky fa hahita an'i Kristy araka ny maha-izy Azy dia hitazona ny tenany ho madio satria Kristy dia madio."