plt_tn/1jn/02/09.md

1.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "rahalahy" dia maneho ny namana Kristiana.

Ilay iray izay miteny

"Izay rehetra miteny" na "Ireo izay manambara" Tsy voafaritra ny olona eto.

ao amin'ny mazava izy

Izany dia sarisarin'ny fiainana marina. Rehefa manao ny marina ny olona, dia afaka manao izany amin'ny mazava fa tsy miafina ao amin'ny haizina. DH: "manao ny marina izy"

ao anaty haizina

Izany dia sarisarin'ny fiainana feno fahotana. Rehefa manao izay diso ny olona, dia tahaka ny miafina ao amin'ny haizina izy ireo. DH: "dia ao amin'ny haizina, manao ny ratsy"

tsy hisy fotoana hanafintohinana azy

"tsy hisy na inona na inona hahatonga azy ho tafintohina." Ny teny hoe: "fanafintohinana" dia sarin-teny izay midika hoe lavo ara-panahy na ara-tsaina. DH: "tsy misy na inona na inona hampanota azy" na "tsy ho lavo amin'ny fanaovana izay mahafaly an'Andriamanitra izy"

ao amin'ny haizina dia mandeha ao amin'ny haizina

Ity hevitra ity dia lazaina indroa mba hisarihana ny saina ny amin'ny faharatsian'ny fankahalana ny rahalahy mpino. DH: "miaina ao amin'ny haizina" na "miaina ao amin'ny haizin'ny fahotana"

tsy mahafantatra izay alehany

Izany dia sarisarin'ny mpino izay tsy miaina araka ny fomba Kristiana. DH: "na izy aza dia tsy mahafantatra fa manao ny ratsy izy"

ny haizina dia efa nahajamba ny masony

"nahajamba ny masony ny haizina." Ny haizina dia sarin-teny ho an'ny fahotana na ratsy. DH "nataon'ny fahotana tsy nahalala ny marina izy"