plt_tn/1jn/01/05.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manomboka eto hatramin'ny toko manaraka, Jaona dia manoratra momba ny finamanana- fifandraisana akaiky eo amin'Andriamanitra sy ireo mpino hafa.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "-nay" sy "isika" dia maneho ny mpino rehetra, ao anatin'izany ny olona izay hanoratan'i Jaona. Raha tsy misy fanamarihana hafa, izay midika ho fampahatsiahivana ity boky ity.

Andriamanitra dia fahazavana

Izany dia midika fa Andriamanitra dia madio sy masina tanteraka. Ny kolontsaina izay mampifandray ny hatsarana amin'ny hazavana dia efa afaka mitana ny hevitry ny hoe hazavana na tsy velabelarina aza ny sarinteny. DH: "Andriamanitra dia marina tanteraka toy ny hazavana madio"

ao Aminy dia tsy misy haizina mihitsy

Izany dia midika fa Andriamanitra dia tsy manota mihitsy ary tsy ratsy amin'ny lafiny rehetra. Ny kolontsaina izay mampifandray ny ratsy amin'ny haizina dia efa afaka mitana ny hevitry ny hoe haizina na tsy velabelarina aza ny sarin-teny. DH: "ao Aminy dia tsy misy haizin'ny fahotana"

mandeha ao anatin'ny haizina

Izany dia midika hoe: "manao ny ratsy"

mandeha ao amin'ny fahazavana

Izany dia midika hoe: "manao ny tsara"

ny ràn'i Jesosy

Izany dia maneho ny fahafatesan'i Jesosy.

Zanany

Izany dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.