plt_tn/1jn/01/01.md

1.9 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity boky ity dia manana tanjona roa: finamanana sy hafaliana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

I Jaona apostoly dia manoratra ity taratasy ity ho an'ireo mpino. Izay mitovy amin'ny "anareo," "izay anareo" ao dia maneho an'ireo mpino. Eto ny teny hoe: "izahay" sy "anay" dia maneho an'i Jaona sy ireo izay niaraka tamin'i Jesosy.

Izay hatramin'ny fiandohana

Ny teny hoe: "Izay hatramin'ny fiandohana" dia maneho an'i Jesosy izay nisy talohan'ny nanaovana ny zava-drehetra. DH: "Izahay dia manoratra ho anareo momba ilay iray izay nisy talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao."

ny fiandohana

"ny fiandohan'ny zavatra rehetra" na "ny fahariana izao tontolo izao"

izay efa renay

"izay renay nampianariny"

izay efa hitanay ... izay efa nojerenay

Averimberina ireo mba ho fanamafisana. DH: "izay hitanay tenanay"

ny Tenin'ny fiainana

Ny "ny Tenin'ny fiainana" dia i Jesosy. DH: "Jesosy, ilay iray izay hahatonga ny olona ho velona mandrakizay"

fiainana

Ny teny hoe: "fiainana" amin'io taratasy io dia maneho izay mihoatra ny fiainana ara-batana. Izany eto dia maneho an'i Jesosy, ilay fiainana mandrakizay.

ny fiainana dia nampahafantarina

Afaka atao hoe: "Andriamanitra nampahafantatra ny fiainana mandrakizay antsika" na "Andriamanitra nanao antsika ho afaka mahafantatra Azy, ilay fiainana mandrakizay"

ary efa hitanay izany

"ary efa hitanay Izy"

ka mijoro vavolombelona amin'izany izahay

"manambara ampahibemaso Azy amin'ny hafa izahay"

ny fiainana mandrakizay

Eto ny hoe: " ny fiainana mandrakizay" dia maneho ilay iray izay manome izany fiainana izany, dia i Jesosy. DH: "ilay iray izay mamela antsika hiaina mandrakizay"

izay tao amin'ny Ray

"izay tao amin'Andriamanitra ilay Ray"

ary izay efa nampahafantarina anay

Izany dia tamin'izy nipetraka tety an-tany. DH: "ary Izy tonga hiaina eo anivontsika"