plt_tn/mat/03/07.md

32 lines
1.8 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Manomboka mananatra ireo Fariseo sy ireo Sadoseo i Jaona Mpanao Batisa.
# Ry taranaka menarana feno poizina, iza
Io dia sarin-teny. Eto ny "taranaka" dia midika hoe "manana ny toetoetra." Ny menarana feno poizina dia zava-doza ary ilazana ny ratsy. Io dia azo atao fehezanteny misaraka. DH: "Ianareo ry taranaka menarana feno poizina! Iza" na "Ianareo dia ratsy toy ny menarana feno poizina! Iza"
# iza no nampitandrina anareo hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy?
Mampiasa fanontaniana mba hananarana ny Fariseo sy ny Sadoseo i Jaona satria nangataka izy ireo ny hanaovany batisa azy ireo mba tsy hanasazy azy ireo Andriamanitra, kanefa tsy te hitsahatra ny hanota izy ireo. DH: "tsy afaka ny handositra ny fahatezezan'Andriamanitra tahaka izany ianareo." na "aza mihevitra fa ho afaka ny handositra ny fahatezeran'Andriamanitra tsotra izao ianareo satria nataoko batisa."
# hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy
Ny teny hoe "fahatezerana" dia ampiasaina mba hilazana ny famaizan'Andriamanitra satria mialoha an'izany ny fahatezerany. DH: "mandosira ny famaizana izay ho avy" na "mandosira satria efa hanafay anareo Andriamanitra"
# Mamoaza voa mendrika ny fibebahana
Ny fehezanteny hoe "mamoaza voa" dia sarin-teny ilazana ny asan'ny olona iray. DH: "Aoka ny asanareo hampiseho fa tena nibebaka marina ianareo"
# Manana an'i Abrahama ho rainay izahay
"I Abrahama no razanay" na "Izahay dia taranak'i Abrahama." Nihevitra ireo mpitarika Jiosy fa tsy hanafay azy ireo Andriamanitra satria taranak'i Abrahama izy ireo.
# Fa lazaiko aminareo
Manindry mafy izy ho lazain'i Jaona io.
# Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza
Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza