# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Manomboka mananatra ireo Fariseo sy ireo Sadoseo i Jaona Mpanao Batisa. # Ry taranaka menarana feno poizina, iza Io dia sarin-teny. Eto ny "taranaka" dia midika hoe "manana ny toetoetra." Ny menarana feno poizina dia zava-doza ary ilazana ny ratsy. Io dia azo atao fehezanteny misaraka. DH: "Ianareo ry taranaka menarana feno poizina! Iza" na "Ianareo dia ratsy toy ny menarana feno poizina! Iza" # iza no nampitandrina anareo hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy? Mampiasa fanontaniana mba hananarana ny Fariseo sy ny Sadoseo i Jaona satria nangataka izy ireo ny hanaovany batisa azy ireo mba tsy hanasazy azy ireo Andriamanitra, kanefa tsy te hitsahatra ny hanota izy ireo. DH: "tsy afaka ny handositra ny fahatezezan'Andriamanitra tahaka izany ianareo." na "aza mihevitra fa ho afaka ny handositra ny fahatezeran'Andriamanitra tsotra izao ianareo satria nataoko batisa." # hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy Ny teny hoe "fahatezerana" dia ampiasaina mba hilazana ny famaizan'Andriamanitra satria mialoha an'izany ny fahatezerany. DH: "mandosira ny famaizana izay ho avy" na "mandosira satria efa hanafay anareo Andriamanitra" # Mamoaza voa mendrika ny fibebahana Ny fehezanteny hoe "mamoaza voa" dia sarin-teny ilazana ny asan'ny olona iray. DH: "Aoka ny asanareo hampiseho fa tena nibebaka marina ianareo" # Manana an'i Abrahama ho rainay izahay "I Abrahama no razanay" na "Izahay dia taranak'i Abrahama." Nihevitra ireo mpitarika Jiosy fa tsy hanafay azy ireo Andriamanitra satria taranak'i Abrahama izy ireo. # Fa lazaiko aminareo Manindry mafy izy ho lazain'i Jaona io. # Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza