plt_tn/jdg/03/01.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Ary Yaveh
Eto ny hoe "Ary" dia fanombohan'ny fizarana vaovaon'ny tantara.
# Ireo firenena
Izany dia entina ilazana ireo vondrom-bahoaka izay tanisain'ny mpitantara ao amin'ny 3:3.
# izay tsy nanana traikefa tamin'ny ady dia niady tany Kanana
Azo adika tahaka izao izany. DH: "izay mbola tsy nandray anjara tamin'ireo ady tany Kanana"
# Nanao izany izy mba hampianarana ady an'ireo taranak'Israelita vaovao izay mbola tsy nahalala izany teo aloha
Nalaina avy tamin'ny votoatin'ny tantara izany. Manome fampahafantarana fototra mikasika ny antony nandaozan'i Yaveh ireo vondron'olona sasany tany Kanana ny mpitantara. DH: "Nandao ireo firenena teo amin'ireo Israelita i Yaveh mba hampianatra ny fomba fiady ireo tovolahy izay mbola tsy niatrika ady taloha"
# ireo mpanjaka dimy
Ireo mpanjaka dimy ireo dia misolo tena ireo vahoaka. DH: "ny mpanjaka dimy sy ireo vahoakany"
# Tendrombohitra Bala-hermona
Izany no tendrombohitra avo indrindra ao Israely.
# Lalana Hamata
Anaran-toerana any atsimon'ny sisin-tanin'i Kanana izany.