plt_tn/jas/03/13.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Iza no hendry sy mahalala eo anivonareo?
Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hampianarana ireo mpamaky momba ny toetra mety. Ny teny hoe "hendry" sy "mahalala" eto dia mitovy. DH: "Hilaza aminareo ny amin'ny fomba tokony ataon'ny olona hendry sy mahalala aho"
# hampiseho fiainana tsara
Mazava ho azy fa ny asa eto dia oharina amina zavatra izay afaka ampisehon'ny olona iray ny hafa. DH: "mampiharihary fiainana tsara"
# amin'ny asany amin'ny fanetren-tenan'ny fahendrena
"amin'ny asa tsara sy ny fanetren-tena no hiavian'ny tena fahendrena marina"
# fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza ao am-ponareo
Ny teny hoe "am-ponareo" dia ilazana ny fiheteham-po na ny eritreritra. DH: "maniry mafy izay hananan'ny olona iray na hiainany, ary mitady ny tombontsoanareo manokana ka tsy miraharaha ny an'ny hafa ianareo"
# fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza
Oharina amina zavatra izay mety hisy ao anatin'ny olona iray ireo fihetseham-po ireo. Ny fanirian-daza eto dia ilazana ny faniriana ny ho lasa lavitra mihoatra ny olona hafa.
# aza mihambo na mandainga manohitra ny marina
"aza maniratsira ny marina amin'ny fandaingana hoe mirehareha amin'izany"