plt_tn/jas/01/06.md

16 lines
713 B
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# amin'ny finoana, tsy misalasala amin'inona na inona
Azo atao hoe DH: "amin'ny fahazoana antoka tanteraka fa hamaly Andriamanitra"
# Fa izay misalasala dia tahaka ny onjan-dranomasina izay entin'ny rivotra sy mitopatopa
Izay rehetra misalasala fa hanampy azy Andriamanitra dia resahina toy ny rano eny amin'ny ranomasina na farihy midadasika, izay mitopatopa hatrany.
# miroa saina
Ny teny hoe "miroa-saina" dia ilazana ny fisainan'ny olona iray rehefa tsy mahavita manapa-kevitra izy. DH: "tsy afaka manapa-kevitra raha hanaraka an'i Jesosy izy na tsia"
# miovaova amin'ny lalany rehetra
Eto io olona io dia resahina toy ny hoe olona tsy afaka mijanona eo amin'ny lalana iray fa mandeha mivezivezy kosa.