# amin'ny finoana, tsy misalasala amin'inona na inona Azo atao hoe DH: "amin'ny fahazoana antoka tanteraka fa hamaly Andriamanitra" # Fa izay misalasala dia tahaka ny onjan-dranomasina izay entin'ny rivotra sy mitopatopa Izay rehetra misalasala fa hanampy azy Andriamanitra dia resahina toy ny rano eny amin'ny ranomasina na farihy midadasika, izay mitopatopa hatrany. # miroa saina Ny teny hoe "miroa-saina" dia ilazana ny fisainan'ny olona iray rehefa tsy mahavita manapa-kevitra izy. DH: "tsy afaka manapa-kevitra raha hanaraka an'i Jesosy izy na tsia" # miovaova amin'ny lalany rehetra Eto io olona io dia resahina toy ny hoe olona tsy afaka mijanona eo amin'ny lalana iray fa mandeha mivezivezy kosa.