plt_tn/lev/23/30.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona isan-taona i Yaveh.
# amin'io andro io
"amin'ny Andro ny Fanavotana"
# Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo... izany
Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò io didy io mandrakizay. Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 3:15.
# Sabata fitsaharana manetriketrika
Io diatsy mitovy amin'ny Sabata izay ankalazain'izy ireo isaky ny andro fahafito. Io dia Sabata manokana amin'ny Andron'ny Fanavotana.
# tsy maintsy manetry ny tenanareo ...ianareo
Eto, ny fanetren'izy ireo tena dia midika fa tsy hihinana sakafo izy ireo. Izany dia azo atao mazava. DH: "aoka ianareo hanetry ny tenanareo ka tsy hihinana na inona na inona"
# ny andro fahasivin'ny volana
Io dia manondro ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahasivy dia manakaiky ny faramparan'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana. Io dia azo atao mazava. DH: "ny andro fahasivin'ny volana fahafito"
# Manomboka amin'ny hariva ka hatramin'ny hariva
"manomboka amin'ny mody masoandro ka hatramin'ny mody masoandro ny ampitso"