plt_tn/2pe/01/08.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ireo zavatra ireo
Izany dia maneho ny finoana, fahatsarana, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, ny toetra araka an'Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana, izay noresahin'i Petera tao amin'ny andininy teo aloha.
# Tsy ho momba na tsy hamokatra
Petera dia miresaka ny olona iray izay tsy manana ireo toetra ireo tahaka ny hoe izy dia saha izay tsy mahavokatra. Izany dia afaka lazaina amin'ny teny tsara. DH: "Ianao dia hamokatra sy hahavokatra" na "ianao dia hahomby."
# Momba na tsy mamokatra
Ireo teny ireo dia mitovitovy amin'ny zavatra iray ihany ary manantitrantitra fa ity olona ity dia tsy hamokatra na hiaina tombontsoa amin'ny fahalalana an'i Jesosy.
# Amin'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika
Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika."
# Na iza na iza tsy ampy ireo zavatra ireo
Izay olona tsy manana ireo zavatra ireo.
# Tsy mahita afa-tsy izay akaiky; jamba izy
Petera dia miresaka momba ny olona iray izay tsy manana ireo toetra ireo tahaka ny hoe mahita akaiky na jamba izy satria tsy mahatakatra ny fahatsarany. DH: "Tahaka ny olona mijery akaiky ka tsy mahita ny maha zava-dehibe azy ireo.
# Ny fanadiovana azy tamin'ireo fahotany taloha
DH: "Fa nodiovin'Andriamanitra tamin'ny fahotany taloha izy."