plt_tn/zec/02/08.md

24 lines
995 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Milaza ny fomba nandefasan'i Yaveh mpitsara ireo firenena izay nandroba an'i Jerosalema taminy i Zakaria.
# nandroba anareo
"nangalatra ireo zavatra tao Jerosalema taorian'ny nanafihana azy"
# fa na iza na iza mikasika anareo
Ny teny hoe "mikasika" dia manondro ny fikasihana mba handratrana. DH: "fa na iza na iza mandratra anareo"
# anakandriamason' Andriamanitra
Ny anakandriamaso dia manondro ny faritra maizina anatin'ny voamaso izay ahafahan'ny olona mahita. Io dia faritra tena manan-danja sy sarotiny amin'ny vatana. Io andianteny io dia nampiasaina mba hilazana fa tena manan-danja amin'Andriamanitra tokoa i Jerosalema sady zavatra harovany.
# haninjitra ny tanako amin'izy ireo
Io dia fihetsika natao mba hanehoana fa efa nifidy ny handrava zavatra Andriamanitra. DH: "mampafantatra fa horavana izy ireo"
# ary dia ho babo...izy ireo
Efa voaroba ireo tanànan'izy ireo ary navela hisokatra mba hangalaran'ny olona izay zavatra tiany.