forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.4 KiB
Markdown
32 lines
1.4 KiB
Markdown
|
# Miverina izy ireo ny hariva
|
||
|
|
||
|
Ny andian-teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo olon-dratsy mpadika lalàna.
|
||
|
|
||
|
# mivovoa tahaka ny alika izy ireo
|
||
|
|
||
|
Ny mpanao Salamo dia milaza ny fandrahonan'ireo fahavalo hanafika ny vahoaka toy ny hoe alika midradradra, mierona, na mivovoa amin'ny olona. DH: "mandrahona hanafika ny vahoaka izy ireo"
|
||
|
|
||
|
# mandehandeha eraky ny tanàna
|
||
|
|
||
|
Azo azavaina ny antony andendehanan'izy ireo eraky ny tanàna. DH: "mandehandeha eraky ny tanàna mba hamely izay itan'izy ireo''
|
||
|
|
||
|
# Indro
|
||
|
|
||
|
Eto ny teny hoe "Indro" dia ampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny zavatra iray. DH: "Enoy"
|
||
|
|
||
|
# mandrezatra amin'ny vavany izy ireo
|
||
|
|
||
|
Ny fitenenana zavatra mahatsiravina dia lazaina toy ny hoe mandrezatra. Izany zavatra mahatsiravina izany dia mety faniratsirana na fandrahonana. DH: "miteny zavatra mahatsiravina izy ireo" na "nitabataba teny mahatsiravina izy ireo"
|
||
|
|
||
|
# mandrezatra
|
||
|
|
||
|
mandrezatra mafy; mamela ny rivotra avy any amin'ny avokavoka ivoaka eo amin'ny vava, miaraka amin'ny feo hafahafa, sady tsy dia fahalalam-pomba loatra.
|
||
|
|
||
|
# sabatra no eo imolony
|
||
|
|
||
|
Ny zava-doza izay ambaran'ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sabatra. DH: "Ny zava-doza izay miteraka korontana lazain'izy ireo dia maro tahaka ny sabatra mandravararava olona"
|
||
|
|
||
|
# Iza no mandre anay?
|
||
|
|
||
|
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba hanehoana ny finoan'izy ireo fa tsy handre ary hanafay azy ireo Andriamanitra. DH: "Tsy misy olona mandre anay!" na "Tsy mandre anay ny Andriamanitrao"
|