# Miverina izy ireo ny hariva Ny andian-teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo olon-dratsy mpadika lalàna. # mivovoa tahaka ny alika izy ireo Ny mpanao Salamo dia milaza ny fandrahonan'ireo fahavalo hanafika ny vahoaka toy ny hoe alika midradradra, mierona, na mivovoa amin'ny olona. DH: "mandrahona hanafika ny vahoaka izy ireo" # mandehandeha eraky ny tanàna Azo azavaina ny antony andendehanan'izy ireo eraky ny tanàna. DH: "mandehandeha eraky ny tanàna mba hamely izay itan'izy ireo'' # Indro Eto ny teny hoe "Indro" dia ampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny zavatra iray. DH: "Enoy" # mandrezatra amin'ny vavany izy ireo Ny fitenenana zavatra mahatsiravina dia lazaina toy ny hoe mandrezatra. Izany zavatra mahatsiravina izany dia mety faniratsirana na fandrahonana. DH: "miteny zavatra mahatsiravina izy ireo" na "nitabataba teny mahatsiravina izy ireo" # mandrezatra mandrezatra mafy; mamela ny rivotra avy any amin'ny avokavoka ivoaka eo amin'ny vava, miaraka amin'ny feo hafahafa, sady tsy dia fahalalam-pomba loatra. # sabatra no eo imolony Ny zava-doza izay ambaran'ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sabatra. DH: "Ny zava-doza izay miteraka korontana lazain'izy ireo dia maro tahaka ny sabatra mandravararava olona" # Iza no mandre anay? Nampiasaina izany fanontaniana izany mba hanehoana ny finoan'izy ireo fa tsy handre ary hanafay azy ireo Andriamanitra. DH: "Tsy misy olona mandre anay!" na "Tsy mandre anay ny Andriamanitrao"